Ho azy (Tanjona Randrianarivelo)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ela vao nino ny saina
Hoe ianao tena lasa ka tsy hiverina intsony
Afa-panaintainana
Efa eo ampelanana'ilay Ray any ambony

Fitiavana, teny mamy
Sy ny sisa nomenao tsisy tambiny ho anay
Na kintana analin-kisa aza
Tsy hahavita na manisa ireo soa nataonao anay

Veloma mandrampihaona fa tsy mandrakizay
Ny fonay torotoro fa lasa ny andry iankinanay
Ekena hoe tombon-dalana fa tena marary
Mino aho fa efa sambatra be anao izay any

Ekena hoe ny olombelona hody vovoka indray
Mavesatra aoka izany, mavaivay ny fonay
Nefa tsy maintsy manaiky f'izay no lahatra
Fa mino sy manantena f'ianao efa sambatra (Ianao efa sambatra)

Mbola azonay antsaina
Ianao 'lay tia mihira, tia mitendry gitara
Mbola ato amponay fona
Nahatonga ahy nanoratra, mino aho fa tsy tara

Veloma mandrampihaona fa tsy mandrakizay
Ny fonay torotoro fa lasa ny andry iankinanay
Ekena hoe tombon-dalana fa tena marary
Mino aho fa efa sambatra be anao izay any

Ekena hoe ny olombelona hody vovoka indray
Mavesatra aoka izany, mavaivay ny fonay
Nefa tsy maintsy manaiky f'izay no lahatra
Fa mino sy manantena f'ianao efa sambatra (Ianao efa sambatra)

Veloma mandrampihaona fa tsy mandrakizay
Ny fonay torotoro fa lasa ny andry iankinanay
Ekena hoe tombon-dalana fa tena marary
Mino aho fa efa sambatra be anao izay any

Ekena hoe ny olombelona hody vovoka indray
Mavesatra aoka izany, mavaivay ny fonay
Nefa tsy maintsy manaiky f'izay no lahatra
Fa mino sy manantena f'ianao efa sambatra (Ianao efa sambatra)
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Tanjona Randrianarivelo
Hits : 539
Likes : 0 Like
Created by : Judicaël PERRIN
Date : 26/08/2023 14:49
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0749