Fifaliana (SALOMA Ambolokandrina)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Fifaliana lehibe
ange ny anio,
Fifaliana lehibe
Ka tena tadidio.
Fa teraka anio i Kristy,
Ho fanavotana,
Anao izay nania.
Ka andeha isika,
Hiara-hihira hoe :
"Voninahitra ho amin'ny avo,
Fiadanana ho an'ny olona rehetra"
Ouh ouh ouh ouh ouh

Fifaliana lehibe,
Ange ny anio.
Fifaliana lehibe,
Ka tena tadidio.
Fa teraka anio i kristy
ho fanavotana anao izay nania.
Ka andeha isika hiara hihira hoe :
"Voninahitra ho amin'ny avo,
Fiadanan ho an'ny olona rehetra,
Izay ankasitrahany"

Ianao ilay teraka androany
no Tompoinay
Ianao ilay teraka androany
no ho derainay,
Ianao ilay teraka androany
no ho derainay
ka isaoranay amin'ny avo indrindra
ny anaranao
fa voavonjinao sy avotrao
Izahay
--------
Link:
Comments
lovyaru ( 21/11/2014 07:28)
Hira Noely 2014
A/C : Ro'Bel
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : SALOMA Ambolokandrina
Hits : 1663
Likes : 0 Like
Created by : lovyaru
Date : 21/11/2014 07:29
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0778