O! Ry Dada (Ny Menafify)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
O ry dada, o ry neny e !
Zoky sy zandry e !
Andeha re isika hifampitantana
Ankalaza an’Andriamanitra
Ilay Mpanjaka be voninahitra
Tompo tokana tena marina

Jijio ny famindra ho tena kanto
Miara-mamindra milantolanto
Latsi-tanana no hiaraha-manao
Hidera ny Tompo eto isika izao

O ry tovolahy e ! aiza ianareo a ?
O ry tovolahy e ! aiza ianareo a ?
Indreto izahay, indreto izahay
Falifaly, miramirana, manandratra ny hosana
Ho mariky ny fanajana
Fa tsara ny fiderana

O ry tovovavy e, aiza ianareo a ?
O ry tovovavy e, aiza ianareo a ?
Indreto izahay, indreto izahay
Falifaly, miramirana, manandratra ny hosana
Ho mariky ny fanajana
Fa tsara ny fiderana
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Ny Menafify
Hits : 1361
Likes : 0 Like
Created by : Ra Pa
Date : 10/04/2017 21:19
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0741