Tsara ny fitondranao (Ny Fanilo)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tsara ny fitondranao
Sy ny fitantananao
Na dia tsy takatry ny saiko indraindray
Na sarotra aza ny atao
indraindray  toa very hevitra aho
Ianao efa manana lalana voatokana ho ahy

Olombelona ihany
Indraindray mety hitomany
Tsy hatakatra anio zay mety ho anton’izany
Ianao tompo ô efa mahita
Ny takona sy izay tsy hita
Izaho tsy mahalala ka mety hisalasala

Na maloka mangina na ho feno fifaliana e
Ekeko tompo izay hitondranao ahy
Tsy hanomezan-tsiny anao raha tsy mety izay atao
Tompo ô ekeko ny fitondranao fa tsara ianao

Marina ny fitondranao
Sy ny fandaminao
F’izao no kely finoana ka manahy
Na mandalo haizina aho
Hitantana ny tananao
Hahatratra ilay mazava voatokana ho ahy

Ianao tompo ô mahita izay hiseho any aorina e
Izaho matoky anao tsy manary tsy mba mandao
Na kely ny finoako aza avela hitoloko f’izao e
Tantano hatrany vimbino hatrany fa tsara ianao
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Ny Fanilo
Hits : 7448
Likes : 0 Like
Created by : odilon_frederic_andriamampiono
Date : 25/07/2019 15:05
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0799