Isaoranay ianao (Ny Fanilo)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Isaoranay ianao
Jehovah tomponay
Isaoranay sy ankalazainay ny Andriamanitray
Derainay ianao
Jesosy tomponay
Ry fanahy masina avo indrindra
Raiso ny fisaoranay
Tena faly izahay ry Andriamanitray
Faly izahay maneho fiderana anao ry tomponay
Ny talenta tsy anay fa ianao no tena mahay
Koa raiso re ny dera sy laza ho anao Andriamanitray

N'iza n'iza miseo mahay tsy mba misy toa anao
Ka na iza miseho ho ambony sanatria izay toa anao
Anao irery anie dera
Anao irery koa ny laza
Ny voninahitra sy saotra
Anao irery izany ry tomponay
Haleloia voninahitra ho amin'ny avo indrindra
Ho azy irery anie ny fiderana
haleloia sy hosana

Taona maro lasa izao no niderana anao
Mbola ho toizanay amin'ny andronay sisa eny hatrany amparadisa
Ny fiderana anao ry ray
Anio ampitso rahatrizay
Mbola hasandratray hatrany ny fiderana
Haleloia sy hosana

Ny tsara rehetra izay vitanay dia tolotsaina avy aminao
Ny fahombiazanay tsy anay fa tena fahombiazanao
Anao irery anie ny laza
Anao irery koa ny haja
Anao irery anie ny dera
Anao irery izany ry tomponay
Aleloia voninahitra ho amin'ny avo indrindra
Ho anao irery anie ny fiderana
Haleloia tsy azo afindra

Ny tsara rehetra izay vitanay dia tolotsaina avy aminao
Ny fahombiazanay tsy anay
Fa tena fahombiazanao
Anao irery anie ny laza
Ny voninahitra sy haja
Anao irery anie ny dera
Anao irery izany ry tomponay
Aleloia voninahitra ho amin'ny avo indrindra
Ho anao irery anie ny fiderana
Haleloia tsy azo afindra
Ho anao irery anie ny fiderana
Aleloia sy hosana
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Ny Fanilo
Vangy : 373
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Mamitiana00675
Daty : 29/04/2023 10:00
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.213