MIVAVAHA (MIckael)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
MIVAVAHAMivavaha ianao,
Ka aza mety , ho sasatra ry olon’Andriamanitra
Fa ny Ray tsitoha,
Ihaino anao, ihaino fatratra izay maharitra
Ny vavaka (2)
Taraina sy talaho
Milohatra avy ao am-po
Fa fefika manjo
Ny vavaka taraina
Atao mandramaraina
Atao mandrakariva
Na dia efa iva ny herinao
Ny vavaka, no hamaliana anao
Hody rariny ihany ny talaho (2)
--------
Link:
Comments
Rnmo
(
14/08/2024 14:04)
Miarahaba tompoko! mba misy fanamarihana kely azafady, fa tsy Dr Miharilaza Andriamiadamahatratra ve no namorona ity hira ity fa maninona no Michael no misoratra eto?
hery
(
14/08/2024 17:38)
Efa nanao an'io hira io koa angamba i Michael,
Ny Feo mamantonalina koa izao efa nanao: Jereo ato
https://tononkira.serasera.org/hira/ny-feo-mamatonalina/mivavaha
Ny Feo mamantonalina koa izao efa nanao: Jereo ato
https://tononkira.serasera.org/hira/ny-feo-mamatonalina/mivavaha