SAKAIZA TIAKO INDRINDRA (MIckael)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
                             SAKAIZA TIAKO INDRINDRA

Réf:Jeso ô! SAKAIZA TIAKO INDRINDRA
    Tsy mba manary na oviana na oviana
    Koa ity misy hira
    Ho fideràko ho Anao

1.Fa n’aiza n’aiza no alehako
  Dia miaraka eny foana isika
  velombolo aho mihomehy
  Tsy mahatsiaro mangatsiaka

2.Mpamonjy tsy mahafoy Ianao ry Tompo
  Ka e ravoravo izao ny foko
  Koa n’inon’inona manjo
  Ny famonjenao hafa tokoa

3.Enga anie aho ka haharitra
  Hankato ny Teninao
  Dia ho sambatra ho finaritra
  Mba ho Voninahitrao

         Jeso ô! Sakaiza tsy foiko indrindra
         Ny fitiavako Anao tsy haiko hafindra...
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : MIckael
Vangy : 2387
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : admin
Daty : 04/04/2005 04:40
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0776