Mpinamana isika (MIckael)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
MPINAMANA ISIKA
1-N'iza n'inona raha mbola foana tany koa ny tany
Ny finamanantsika hitohy
Raha 'zay elanelan-tany, tsy afa-haningotra izany
K'ho sakana tsiahy tsy hifanjohy
Reo kalokalontsika fanao hatrizay,raha manina ahy ianao no vetsoy
Mpinamana isika, tsy mb'hifanadino, tsy mb'hifankafoy
musique
2-Tsiaro sarotra adinoina fa mielo ao an-tsaina
Ireo sangisangy nifanalana e...
Mampitsiky irery an-dälana tsy nahy raha visaina
Reo vazivazy fanao mazäna
Reo olana nitranga 'zay nifampizarana
An-kitsim-po niaraha-novahana
Nifanampiana, tsy hay nokiviana,f'ampitsikiana e....
Refrain:
Na dia lavitry ny masoko aza ianao matokisà
F'an-tsaina am-poko ianao manoloana e.....
Ny safidim-piainana no manasaraka antsika
F'isaka dia mpinamana foana
Am fo madio tsy nila kajy be manahoana
Izaho indray matoky sy mino
Namako ianao,namanao aho,izay no tsy adino....
musique
3-Fotoana vitsy sisa afak'ifaneraserana
Fa ny zava-misy tsy hay idifina e
Fefen'ny lälam-piainana tsy afak'ialäna
Na betsaka aza ireo faniriana
Mbola hifankahita anefa raha velon'aina
K'ifampirary soa no azo atao
Soavà tsarà, ho toa 'zay ilaina,hoy aho namanao e.....
Refrain....musique
MICKAEL
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : MIckael
Vangy : 1876
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : tahiana.dafy2015
Daty : 14/10/2017 15:23
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1157