Tsiambaratelo (Lova Mamisoa)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Teo foana aho fa tsy hainao,nanara-maso anao
Te iray lalana aminao iny,entanim-pitiavana

Manahy nefa aho ny hiteny,
sao lavinao ilay fitia

Ka aleo ho ahy samirery ho tsiambaratelo ilay fitiavako anao iny
Hitia mangina anao ny fo
Tsy heloko,tsy hadisoiko (x2)                  

Malefa-pijery,tsy dia be teny, ianao iny
Tsara fanahy ka nahababo ahy, ianao iny

Manahy nefa aho ny hiteny,
sao lavinao ilay fitia

Ka aleo ho ahy samirery ho tsiambaratelo ilay fitiavako anao iny
Hitia mangina anao ny fo
Tsy heloko, tsy hadisoiko (x2)

Fa raha misy fo mitempo any ho any,
ianao moa ve tsy hamaly, na dia fihetsika fotsiny ary?
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Lova Mamisoa
Hits : 1562
Likes : 2 Like
Created by : natachacook22
Date : 11/12/2016 14:15
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5701