NANKAIZA (Lalie Andriamazava)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
NANKAIZA
Nankaiza ilay feonao
Nandrotsirotsy ny taloha
Nankaiza ’lay tsikinao
Nandravaka ny androko
Ianao namako ianao mamiko
NIhaino tantara n’inon’inona ’zay niainako
Ianao tsy foiko teo anilako
Nandray sy nizara n’inon’inona ’zay niainako
Mbola hitako ’lay endrikao
Nampisariaka hatrany ny taloha
Mbola reko foana ’reo hiranao
Nampibaliaka lava ny androko
Eto aho malahelo mafy anao
Fa toa nilaozanao
Te hiantso ny anaranao
Fa tafasaraka
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Lalie Andriamazava
Hits : 2532
Likes : 1 Like
Created by : Hasimbola
Date : 22/04/2003 11:34
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0745