Tsy mahafoy (Ktlm Antsirabe Antampontanana)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1.Mivavaka ianao, mangataka ianao
Mba ho foana ny tomany
Nefa indrisy hatramin'izao
Mbola ny eo ihany no eo
Dia iny ianao, fa halaim-panahy
Manome tsiny ny Ray
Fa tsy mamaly vavaka izy
Sady koa tsy mba mihaino ahy


Ref:
Jesosy aloha tsy mahafoy anao
Fa misy toetra ratsy tiany ho hafoinao
Fa fitiavana Izy be fitia
Tsy mahafoy ny olona ety
F'isika ety no be siasia
Hatramin'izao dia mbola mania
Fa fitiavana Izy tsy mahafoy
Mbola miandry ny fiovanao


2.Dia kivy, mila hitomany
Tsy mivaha ireo olanao
Ny helotsika indraindray
No tsy hamaliny ny vavakao
Tsy mahafoy anao ny Tomponao
Mila hafoy ireo ratsy atao
Amin'izay mihaino anao Izy
Ho tsapanao ny fitiavany


Ref:.... ×2

Tsy mahafoy ny Jesosinao
Mila mamoy ny ratsy ianao  ×2
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Ktlm Antsirabe Antampontanana
Hits : 8
Likes : 0 Like
Created by : Hoby3
Date : 12/06/2026 12:44
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0367