Jesosy Mofon'aina (Ktlm Antsirabe Antampontanana)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1.Tsy mba novidianaTsy mba atakaloTsy herintsaina Tsy mba zotom-po
Kanefa mitaky fiomanana koa
Ka izay vonon-kandray
Mandinika aloha
Miaiky fa diso,tsy mendrika re
Mpanota very tsy hita any aleha
Ka mila mpamonjy,mpanafaka ota
Ary manome famelan-keloka
Ref:
Ekeo ary raiso am-pinoana
Ho anao fa mitondra aina vao
Fa mamelombelon’aina
Manadio ny fo fanahy
‘Lay Jesosy mofon’aina
Sady ranon’aina soa
2.Aza variana na sondriana ety
Jesosy anio manatona anao
Ny tenany sy ny rany sarobidy
No atolony anao raha amino ianao
Kanefa tsarovy sy mba tadidio
Tsy fahazarana anie ny mandray
Fa tena Jesosy fiadanana
No manaiky hitoetra sy honina am-po
Ref:×2
--------
Link:
Add a comment
Please sign inAbout this song
Artist : Ktlm Antsirabe AntampontananaHits : 173
Likes : 0 Like
Created by : Hoby3
Date : 22/07/2025 11:53
