Hanasitrana (Ktlm Antsirabe Antampontanana)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Raha ny olona
Izay nantsoina tamin’ny anarany
No hoavy ka hanetry tena sy hibebaka
Dia hiala amin’ny ratsy
'Zay fanao ety  tsy mahasoa
Hanasitrana ny taniny
Jehovah Masina

Raha ny olona izay vonona hibebaka
No hoavy ka hiankohok’ eo Anatrehany
Ny Tompo tsy mandà Fa raisiny am-pitiavana
Asehony fa zanany tokoa

Raha ny olona
Izay nantsoina tamin’ny anarany
No hoavy ka hanetry tena sy hibebaka
Dia hiala amin’ny ratsy
'Zay fanao ety  tsy mahasoa
Hanasitrana ny taniny
Jehovah Masina

Ka vonona ny hiova ary ve ianao
Hanadino fahazaran-dratsy zay mamatotra
Mbola misy ny fotoana faingàna ianao, miovà malaky
Dieny tsy tratry ny masoandro milentika

Ny tananay tsy fohy fa mahavonjy
Ny sofiny tsy lalondalovana
Fa miandry anao hibebaka
Miandry anao hiova fo
Satria tiany iano, satria tiany iano, satria tiany iano

Raha ny olona
Izay nantsoina tamin’ny anarany
No hoavy ka hanetry tena sy hibebaka
Dia hiala amin’ny ratsy
'Zay fanao ety  tsy mahasoa
Hanasitrana ny taniny
Jehovah Masina
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Ktlm Antsirabe Antampontanana
Hits : 315
Likes : 0 Like
Created by : Hoby3
Date : 09/08/2025 15:28
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0327