MOA VE TSY HOLAZAIKO (Ktlm Andrirahona Ambohibao Antampontanàna)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Moa ve tsy holazaiko
Fa velona tokoa
Fa velona Jesosy tantara tena soa
He maty mba hisolo nitondra ny heloko
Kanefa izaho nandresy
He velona

Refrain :
Hobio! Hobio!
Vaovao mahafaly re
Torio lazao eny ambarao
Jesosy velona
Hobio! Hobio!
Vaovao mahafaly re
Jesosy velona ao am-po
Ô fantatro tokoa

Ny otako rehetra voavelany tokoa
Ny vesany nanindry nesoriny avokoa
Ny fiadanam-pony, ô fahalalana soa
Atolony tontolo
Fa velona

Refrain:
Hobio! hobio!.....

Ny diako isan'andro tantanany tokoa
Ireo zava-mampahory reseny avokoa
Raha sendra kivy aho ka reraka ny fo
Bitsihany mangina
He velona

Refrain:
Hobio! hobio!.....

Tsy ho ahy irery mantsy fa ho anao tokoa
Ry namako mahantra ho anao avokoa
Ny vonjy efa vita 'lay paradisa soa
Ho anao tsy misy fetra
Fa velona

Refrain:
Lazao ! Lazao!
Fa akaiky izy izao
Torio lazao eny ambarao
Jesosy avy re
Lazao ! Lazao avy izy haka anao
Hiseho eny an-danitra
Fa velona tokoa
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Ktlm Andrirahona Ambohibao Antampontanàna
Hits : 272
Likes : 0 Like
Created by : mialimalalanomenarazafindrazak
Date : 02/12/2022 19:16
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0751