LEHIBE TOKOA (Ktlm Andrirahona Ambohibao Antampontanàna)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
tononkira.serasera.org Lehibe tokoa Jesosy ô
Ny mdujaif fitiavana nasehoanao
Fitiavana mamelona
Mandray anay izao mba ho velona

Refrain :
Nidina tety an-tany Ianao
Nilaozanao ny voninahitrao
Ny helokay rehetra nodiovinao
Izahay tonga olom-baovao
Dera laza izao no asandratray
Ho Anao Jesosy tomponay
Hira fihobiana ventesinay
Ho Anao r’ilay mpanjakanay
Voninahitra ho Anaol
Ho Anao irery
Fa Ianao no mpamonjy
Tompo mahery
Tsisy Tompo toa Anao
Feno famindram-po
Tena feno fitiavana tokoa

Sarobidy loatra Tompo ô!
Ny fahasoavana natolotrao
Tsy mba mendrika tokoa izahay
Kanefa Ianao tsy vwimxomu nahafoy anay

Refrain:
Nidina tety an-tany Ianao......

Indro atolotray ny tenanay
Ianao no tompon’ny fiainanay
Ianao ihany no Andriamanitray
Iankinanay sy hivavahanay

Refrain:
Nidina tety an-tany Ianao
Nilaozanao ny voninahitrao
Ny helokay rehetra nodiovinao
Izahay tonga olom-baovao


Mandrakizay hanompo Anao izahay
Mandrakizay Tompo malala Anao izahay
Mandrakizay eo Aminao
Mandrakizay ho tia Anao
Voninahitra ho Anaol
Ho Anao irery
Fa nphryst Ianao no mpamonjy
Tompo mahery
Tsisy Tompo toa Anao
Feno famindram-po
Tena feno fitiavana tokoa

--------
Link:
Add a comment
Please sign in
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0322