Salamo faha 23 (Iraimbilanja)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
I Jehovah no mpiandry ahy
Tsy hananjazava-mahaory aho
Mampandry ahy amin’ny ahimaintso izy
Mitondra ahy eo amoron-drano fialan-tsasatra
Mamelombelona ny fanahiko
Mitarika ahy amin’ny fahamarinana
Noho ny anarany
Mitarika ahy amin’ny fahamarinana
Eny na dia mandia
Amin’ny aloky ny fahafatesana aza aho
Dia tsy hatahotra ny loza aho
Fa ianao, no amiko
Ny tsorakazonao, sy ny tehinao ireo
No ahafan-tahotra ahy
Mamelatra latabatra
Eo anoloako eo
Eo imason’ny fahavaloko ianao (2)
Manosotra diloilo ny lohako ianao
Ny kapoakako feno dia feno
Eny tokoa, ny fahasoavanao sy ny famindraponao
Hanaraka ahy amin’ny andro rehetra iainako
Dia hitoetra ao an-tranon’i Jehovah andro lava aho
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Iraimbilanja
Hits : 3763
Likes : 0 Like
Created by : Rakotoarimanana Jean Luc Dera
Date : 26/07/2005 07:25
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0708