Miaiky aho (HIFAFI (FPVK Androndra Fitiavana))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1)
Fantatro fa hainao avokoa
Ny zavatra rehetra Tompo ô!
Ary tsy azo ferana ihany koa
Ny fisainanao

Iza no mahatakona ny fisainanao
Amin'ny tsy fahalalana Tompo ô!
Koa dia nilaza izay tsy fantatro aho

Ref: Mifona Aminao aho
Henoy fa hiteny aho
Hanontany Anao aho
Ka hampahafantaro
Fa z'inona moa aho Tompo ô! No hifandahatra Aminao
Fa raha mety Ianao, mahay manadio ahy

2)
Fandrenesan'ny sofina ihany
No nandrenesako anao Tompo ô!
Fa ankehitriny ny masoko mihitsy
No mahita Anao

Koa dia miaiky sy mibebaka
Eto amin'ny vovoka sy ny lavenona aho Tompo ô!
Miaiky aho Ray fa diso taminao

Ref: Mifona Aminao aho
Henoy fa hiteny aho
Hanontany Anao aho
Ka hampahafantaro
Fa z'inona moa aho Tompo ô! No hifandahatra Aminao
Fa raha mety Ianao, mahay manadio ahy

Fa raha mety Ianao, mahay manadio ahy (x2)



A/C: Fanjanirina Francine
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : HIFAFI (FPVK Androndra Fitiavana)
Hits : 20
Likes : 0 Like
Created by : FitiaCatt
Date : 02/03/2026 09:58
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.2122