Fa manombok'eto (Groupe NAINA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
(octobre 2009)
Ianao ry Ray no nifidy ahy
Hiara-hiasa sy hanompo Anao
Tsinontsinona aho eo anatrehanao
O ry Ray ô, nefa nofinidinao
Misaotra Anao, misaotra Anao

Fa mba iza moa no hianteherako
Raha tsy Ianao no niantso ahy
Efa resy aho efa naniasia
Ry Jeso ô, soa fa noraisinao aho
Misaotra Anao, misaotra Anao
‘Ty zanakao

Ampianaro aho mba hizatra Anao
Ka hietry sy hivavaka
Ary hametraka ho voalohany
‘Zay momba Anao ry Ray malalako
Matoky Anao, matoky Anao

Eo an-tananao no mba sitrako
Tena tony sy azo antoka
Eo no fantatro fa handreseko ireo
Fahavalo mitady hamotraka ahy
Matoky Anao, matoky Anao
‘Ty zanakao

Fa manombok’eto aho
Dia tsy hihemotra
Na hiverin-dalana
Sy hanamafy indray
Ireo kapoka nahatra taminao
Foiko avokoa ireo
Mombamomba ahy taloha
Fa Jeso no velona ao
Ho fiainako, hiankinako
Ho fialofako mandrakizay
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Groupe NAINA
Vangy : 624
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Datatoa
Daty : 24/10/2019 10:53
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0748