Tsy ampy anao (Gonna Music)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Nisy fotoana 'zaho tsy nampatorinao
Lasan'eritreritra foana, nandinika ny mombantsika roa
Mba rahoviana iany vao hisy fotoana
Fa mangatsika loatra ilay fitiavana

Fa ny antsika tsy mba toy ny hafa,
Izao aty ianao any, nefa mifankatia
Ny finday no namana any mampifandray
Entin_drivotra any hoany ilay fitia

Raha ny fihaonana aloha,mety indray mandeha sa indroa
Tsapako fa tsy ampy antsika izy ireny,
Marary iany fa aleoko tsy miteny

Refrain:
Tia anao, fa mafy ny elanelana
Anome hafanana izara fitia tsy ho ferana
Dia hafatra no ataoko, feno fo matetitetika
Hiahy ilay fitia tsy hilentika
(Bis)

Voajeriko isa_minitra, izay rehetra miseho anaty rindrinao
Vao mampiseho ilay bika, mila ho vaky ny ao anatiko ao
Indrindra moa fa misy fo, avy amina bandy iray,
Be fanadinkadina aho zary ady indraindray

Fa ny antsika tsy mba roy ny hafa....

Raha ny fihaonana aloha, ........

Refrain: 2x
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Gonna Music
Hits : 36
Likes : 1 Like
Created by : Mboula Ny Rotsy
Date : 01/06/2026 22:51
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.6286