Mpiandry tsara (GAFLI)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1. Jeso no tena mpiandry tsara
    Izay tia tokoa ny ondriny
    Ka na sarotra sy mafy
    Dia ny ainy no natolony
    Mba hitady ny ondry izay nania
    Tiany hiverina ao am-balany
    Ka Izy hanome fiainana 'zay be dia be
    Amin'ny Anarany

Ref: F'izay miandry an'i Jehovah dia mandroso hery
       Elatra no iakarany tahaka ny voromahery
       Hiazakazaka izy nefa tsy sasatra
       Andeha izy, andeha saingy tsy ho reraka

2. Fa Jehovah no mpiandry ahy
    Azoko antoka ny heriny
    Fiadanan-tsaina sy fanahy
    'Reo rehetra izay heveriny
     Ka ny ratsy sy ny fandrika
     'Zay ataon'ny fahavaloko
     Dia tsy hampiala ahy eo an-tananao
     Ry Tompo aroko
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : GAFLI
Hits : 563
Likes : 0 Like
Created by : Solofomandimby
Date : 24/09/2022 10:49
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3085