Tia ka tsy mino (Fanja Andriamanantena)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Fantatro ianao fa tsy te hanadino
Tsapako ianao fa tia ka tsy mino hoe
Izy efa lasa
Tsy tazana intsony fa mbola mamony, mbola mamelana
Mbola mandefa hanitra miserana

Fantatro ianao fa tsy te hanadino
Tsapak ianao fa tia ka tsy mino hoe
Izy dia mpandalo
Tsy sahy mitoetra, tsy sahy manambara ny zava-drehetra
Fa fo mistery, fo manirery

Fantatro ianao fa tsy te hanadino
Tsapako ianao fa tia ka tsy mino hoe
Izy tsy misy fa aloka ihany
Rivo-miserana mpandrotsa-tomany, alina nofy nofikirinao
Hanala ireo sento tsy mety mandao

Fantatro ianao fa tsy te hanadino
Tsapako ianao fa tia ka tsy mino.
--------
Link:
Comments
hasinjakaravokatra ( 27/12/2017 12:18)
Tsotra nefa tsara sady ny mpitendry gitara koa mahay sady mankafia !!
Mankasitraka
hasinjakaravokatra ( 27/12/2017 12:18)
Tsotra nefa tsara sady ny mpitendry gitara koa mahay sady mankafia !!
Mankasitraka
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Fanja Andriamanantena
Hits : 7952
Likes : 1 Like
Created by : ikalamako
Date : 01/09/2014 10:20
Audio
Excerpt Add to playlist
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0407