Tiako raha ianao (Fanja Andriamanantena)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tiako raha ianao
No hiombom-pifaliana
Sy eritreritra amiko
Tahaka ny fanao
Fony mbola zaza
Nihantahanta tamiko

Tiako raha ianao
No hiaraka hihira
Ireo hirako fahiny
Anteman’ny fitia
Hira tena mamy
Tsaroako ankehitriny

Tiako raha ianao
No afaka hamantatra
Ny miafina rehetra
Fa raha tsy fantatrao
D’izao no efa tao :
Tiako raha ianao.
--------
Rohy: https://tononkira.serasera.org/hira/fanja-andriamanantena/tiako-raha-ianao
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Fanja Andriamanantena
Vangy : 5996
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Heriniaina
Daty : 24/02/2002 09:32
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2022 - page load 0.043