taratasy ho anao (Fanja Andriamanantena)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
taratasy ho anao
isaky ny ray minitra
feno izao tontolo izao
ny ranomaintiko aza ritra
nefa izay mba soratrao
ry olon-tiako feno ditra
dia tsy misy hatram’ izao

REF:
manoratra ho anao            
isaky ny ray minitra              }(2x)
miandry valiny aminao
fa maso foana no mipitra

mbola hanoratra ho anao
na hangaina na hipitra
ka ny fo anatiko ao aza
avelako hitritra
fa ny rà miboika avy ao
no solon-dranomainty ritra
hanoratako anao
isaky ny ray minitra

REF
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0389