Fiainako irery (Fanja Andriamanantena)

Fiainako irery, fantatrao tsy miery, hainao tsianjery,
Fa hainao tsy ankiteny ireny rehetra rehetra ireny,
Fantatrao na dia hoe
Tsy ambarambarako ny lalan'ny tantarako...

Ny aminao koa fantatro avokoa
Ny Tsiky dia ampyratsy sy ny soa,
Fa hainao tsy ankiteny ireny rehetra rehetra ireny...

Fantatro na dia hoe tsy tantarainao ahy
Ny anaty fonao sy fanahy...

Tsy mila ny mandre fa topi-maso dia
Ampy be dia be ny hahalalanao
Ny ao ampo-n'ilay malala.

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Fanja Andriamanantena
Mpamaky : 5340
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : ikalamako
Tamin'ny : 26/06/2014 00:44:45
ID : 6593

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo