Hanoratra ho anao (Fanja Andriamanantena)

taratasy ho anao
isaky ny iray minitra
ho an’izao tontolo izao
Ny ranomaintiko aza ritra
nefa izay mba soratrao
ry olon-tiako feno ditra
dia tsy misy,hatramin’izao

Manoratra ho anao
isaky ny iray minTsiky dia ampyitra
miandry valiny aminao
fa ny maso foana no mipitra

Mbola hanoratra ho anao
na hangaina na hipitra
fa ny fo anatiko aza
avelako hipitra
fa ny ra miboika avy ao
no solon-dranominty ritra
hanoratako ho anao
isaky ny iray minitra.

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Fanja Andriamanantena
Mpamaky : 7616
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i :
Tamin'ny : 03/05/2005 00:16:01
ID : 3092

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo