The end (Ayam)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Androany hariva sisa aho...
No hiangolangola hiresaka aminao.
Mahatsiaro mangingina aho ...
Na ny kintana ary toa henoko mianso ny anaranao.

Androany hariva sisa aho no hanoratra hira ho anao.
Hiezaka hanadino amin'izay.
Androany hariva sisa...
Dia avaliko any amin'izay.

(Ny fanantenako, ireo horonan-tsary noforoniko ho fafako.
Dioviko ny foko sy ny saiko ary ny haingam-panahiko.
Mba tsy hitabataba ny tantaran-tsika insony.)*2


Androany hariva sisa aho...
No mandatsa-dranomaso mihaino ny feonao.
Mahatsapa hirifiry aho...
Na ny volana ara mamiratra ny endrikao.

Fa androany hariva sisa aho no hanoratra hira ho anao.
Hiezaka hanadino amin'izay.
Androany hariva sisa...
Dia avaliko any amin'izay.

(Ny fanantenako, ireo horonan-tsary noforoniko ho fafako.
Dioviko ny foko sy ny saiko ary ny haingam-panahiko.
Mba tsy hitabataba ny tantaran-tsika insony.)*2
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Ayam
Hits : 2275
Likes : 1 Like
Created by : iavontsoasteffania
Date : 17/07/2022 06:33
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0784