Mafy fa vitako (Ayam)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Mankarary ny aiko
Ny mahita anao miova isan'andro io
Tsy zakan'ny saiko
Ny fiteninao lasa mahery
Ny hafatrao lasa indraindray
Tsy avelanao matory aho amin'ny alina
Amin'ny valinteninao hoe tsy haiko

Isaky ny manontany izaho
Isaky ny mba mitady izaho
Ka reraka aho fa izao.

Tsy hoe very aho raha tsisy anao
Hitsiky aho na tsy eo ianao
Tsy maty aho raha hoe hilaozanao
Eny na dia izao dia izao

aza mody mila vaniny
Fa ny foko efa fanimpanina
Izao, tsy hoe very aho raha tsisy anao.

Fa izaho mahavita tena e!
Izaho mahavita miaina e!
(Rehefa tsy anjara koa dia izao)
Mafy fa vitako!
Mafy fa vitako e!

Mankarary ny aiko
Ianao manao izay tsy hahatamana ahy
Manompa tsy nahy
Lazainao fa malemy aho
Rehefa mba miantso hoe
"Mila anao izaho tiako a!"
Na andavanandro na amin'ny andro fety
ianao toa tsy hita

Isaky ny manontany izaho
Isaky ny mba mitady izaho
Ka reraka aho fa izao.

Tsy hoe very aho raha tsisy anao
Hitsiky aho na tsy eo ianao
Tsy maty aho raha hoe hilaozanao
Eny na dia izao dia izao

Ka aza mody mila vaniny
Fa ny foko efa fanimpanina
Izao, tsy hoe very aho raha tsisy anao.

Fa izaho mahavita tena e!
Izaho mahavita miaina e!
(Rehefa tsy anjara koa dia izao)
Mafy fa vitako!
Mafy fa vitako e!

Ouuuhhh

Tsy very aho raha tsisy anao
Hitsiky aho na tsy eo ianao
Tsy maty aho raha hoe hilaozanao
Eny na dia izao dia izao

Ka aza mody mila vaniny
Fa ny foko efa fanimpanina
Izao, tsy hoe very aho raha tsisy anao.

Fa izaho mahavita tena e!
Izaho mahavita miaina e!
Ehh ehhh!
Mafy fa vitako!
Mafy fa vitako e!
Mafy fa vitako!
Mafy fa vitako e!
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Ayam
Vangy : 3280
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : hery
Daty : 30/01/2023 20:03
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0841