You (Ayam)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Efa tsy nino intsony aho, efa latsaka ambany
Na ilay Nahary ahy ary nomeko tsiny mafy
Fa ny zavatra rehetra niainako no namaritako ny ho aviko
Efa saika lavo ambany mihitsy aho
Nahatsiaro tena resin’ny sedra nandalo
Namono tena an-kolaka aho
Efa maty fanahy

Dia tonga ianao
Nampitsiky sy namelona indray ilay fanantenana
Tonga ianao
Nampahafantatra ahy hoe tena misy ny fitiavana
Tonga ianao
Ilay tena tiako
Tonga ianao
Dia inty aho, hisaotra anao
Satria tonga ianao
Nampitsiky sy namelona indray ilay fanantenana
Tonga ianao
Nampahafantatra ahy hoe tena misy ny fitiavana
Tonga ianao
Ilay tena tiako
Tonga ianao
Dia inty aho, hisaotra anao

Satria anie izaho
Efa tsy nahatsapa na inona na inona intsony
Nanary tena anaty lavaka
Satria anie izaho
Efa nangina tsy nahasahy nampianatra intsony
Satria hoe sao hibaradaka
Hoe tsy misy akory
Izany fitia izany
Fa tsy namelanao aho
Raha tsy nino indray
Fa misy ny hazavana
Dia misy ilay Mpamonjy
Dia misy koa Jesosy
Dia aza mitanondrika

Ianao ianao (Ouuuuuu)
No nahatonga ahy hino indray
Fa tena misy ilay fanahy iray
Ilay nandraindraiko tao anaty kaloko hatrizay (kaloko hatrizay)

Ianao (Ouuuuuu)
Ianao ianao (Ouuuuuu)
--------
Rohy:
Hevitra
laeticiacarolrazafitsialonina ( 29/12/2025 16:34)
True love will find you at the right time, at the right place...❤️
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Ayam
Vangy : 28
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : laeticiacarolrazafitsialonina
Daty : 29/12/2025 16:31
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0699