My soulmate (Ayam)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ataoko ahoana moa ny hangiana
Lasanao tanteraka aho
Niseo be saina hoe tsy mila
Fa vao tonga ianao dia izao
Saika hiseo hamilafila fa ny foko tsy nahatana , resy...
Resy lahatra aho , fa ianao ilay fanahy iray
Ilay niandrasako hatrizay
Izay izany no nahatonga ny hafa tsy nisy nampierika ahy
Ahoana no hanazavako hoe feo iray dia mampitony ahy
Hafakely, sady namako no olon-tiako...

My Soulmate...
Tena tia aho fa tsy noterena
Ny fitiavako anao tsy voafetra
Ny ambom-poko navelako ,
Eny, ianao no nampanantena
Fa mbola misy ny fitia
Ianao ilay ''Tena izy''
My Soulmate..

Zatra irery aho saika lasa
Namela antsika roa
Fa na dia nitabataba ary aho hoe :
''Avelao aloha'' , teo foana ianao tsy nandao ahy
Na dia indraindray miady kely ary , tsy misy miala eo, tsy misy miala eo
Satria ianao ilay fanahy iray niandrasako hatrizay
Tsy mila mitantara akory aho hoe efa fay
Satria sitrana ny foko eo ankaikinao,eo anilanao
Ndri ... Sady namako no olon-tiako

Te hisaotra anao androany aho , satria ianao teo foana
Na nitsiky na nitomany aho , ianao nanaja ahy foana
Na dia nangidy tamiko ny lasako
Ianao tsy nandatsa ahy fa mbola eo
My Soulmate..
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Ayam
Vangy : 3489
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : manoarakotomalala263
Daty : 21/07/2022 09:21
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0914