Tsy maninona (Ayam)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
(Ayam ft. Bryan Lynaress)

Indraindray ireo akaikinao ihany
No maniry anao ho lavo
Satriny ianao hitomany
Fa tsy hiakatra hihaavo ambony noho izy.
Dia mody mampahery ihany nefa satriny ianao ho kivy
Tiany ho azy irery ny mamy
Dia ianao no mangidy
Raha izay dia...

Tsy maninona ny mandeha irery
Tsy maninona raha mbola misy fery
Tsy maninona ny maka fy dia mankary
Rehefa tsy mety ny eo.

Tsy maninona ny mandeha irery
Tsy maninona raha mbola misy fery
Tsy maninona ny maka fy dia mankary
Rehefa tsy mety ny eo.

Tsy maninona izany e!

Rehefa be ny mpanambany ataovy ambony ny saina
Aza mety mitomany, aza manaiky mitaraina.
Misintaha raha toa ka izay no ilaina
Dia teneno mafy hoe
"Izaho koa mahavita miaina na tsisy anao aza"
Fa vitan'ny hafa ve dia tsy ho vitanao.
Aleo izy no hahita ny fahombiazanao.

Tsy maninona ny mandeha irery
Tsy maninona raha mbola misy fery
Tsy maninona ny maka fy dia mankary
Rehefa tsy mety ny eo.

Tsy maninona ny mandeha irery
Tsy maninona raha mbola misy fery
Tsy maninona ny maka fy dia mankary
Rehefa tsy mety ny eo.

Tsy maninona izany e!

Tsy maninona ny mandeha irery
Tsy maninona raha mbola misy fery
Tsy maninona ny maka fy dia mankary
Rehefa tsy mety ny eo.

Tsy maninona izany
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Ayam
Vangy : 385
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : hery
Daty : 12/04/2024 19:56
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0724