Nahoana e! (Asafia Ambodihady)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ny Tompo mitaraina miantso hoe : nahoana e ianareo voafidiko
Nahoana e? ianareo voafidiko , nahoana e no mandà Ahy
Nahoana e, nahoana e?
No tampenanao ny masonao, nahoana e no ny sitraponao no natao?
Hadinonao ve ny indrafoko, nahoana e tsy tsapanao ny Fahasoavako

Anio Jesoa manontany anao:  nahoana e ianareo mpanompoko
Nahoana e ianareo mpanompoko, nahoana e no tsy tia Ahy?
Nahoana e, nahoana e?
No heverinao ho tsy miaro anao Aho satria ve resy ianao?
Tsy fantatrao intsony ve Aho ry ondry ô !!
Miantso anao moramora Aho

Malahelo Aho raha ny oloko
Izay tiako no mba manadino Ahy
Honena Aho raha toa ny oloko, izay tiako no voatafika
Fa faly Aho fa faly Aho raha mandresy ny oloko
Fa faly Aho raha miverina Amiko
Ny oloko ny oloko
Eny ho faly izay any an-danitra

A/C: Ratovonoharimampianina Henintsoa
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Asafia Ambodihady
Hits : 431
Likes : 0 Like
Created by : Tsikinavalona
Date : 18/11/2022 13:30
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0794