Tsy misy Fatiantoka (APF TANGAINA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Hatramin'izay nanompoko Anao ry Ray
No natsapako ny fitantananao
Kai manand-Ray mpiaro sy mpiahy aho
Tsy hahatahotra, tsy hihemotra aho
Hanompo Anao!

Tsy misy fantiantoka ny manompo Anao
Tsy misy hanenenako ny manara-dia Anao
(Tenor) Ny antom-pisiako eto an-tany dia hanompo Anao ry Ray
Fa lalana hahatongavanay ilay mandrakizay

Na ireo fahasoavam-be noraisinay
Dia avy Aminao izany ry Tompo Jesoa ô
Isaorako Anao Mpamonjy izay tsy mba nanary Any
Ny enta-mavesatro aza efa nozakainao

Tsy misy fantiantoka ny manompo Anao
Tsy misy hanenenako ny manara-dia Anao
(Tenor) Ny antom-pisiako eto an-tany dia hanompo Anao ry Ray
Fa lalana hahatongavanay ilay mandrakizay

(Tenor) Tsy misy fatiantoka ny manompo Anao
(Vehivavy) Andriamanitra ô!Tsitoha ô!
(Tenor)  Fa ny Fitiavana nomenao ho any
(Miaraka) Dia tena lehibe, tsy mila tambiny


Tsy misy fantiantoka ny manompo Anao
Tsy misy hanenenako ny manara-dia Anao
(Tenor) Ny antom-pisiako eto an-tany dia hanompo Anao ry Ray
Fa lalana hahatongavanay ilay mandrakizay

MANDRAKIZAY
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : APF TANGAINA
Hits : 329
Likes : 0 Like
Created by : Nomenasyaina
Date : 30/07/2025 08:51
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.2705