Efa nitsangan-ko velona izy (Paska) (Antokom-pihira Vetson'i Siona)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
I. Ny marainan'ny andro voalohany
Dia nanantona ny fasana
I Maria magdalenina
Kanjo inona no nitranga?
Ilay fasana efa banga

Vatobe mikodia,no hany hitan'i Maria
Lamba nivalona tsara, teo ambony farafara
F'efa nitsangan-ko velona Izy, Aleloya!

II. Indro fa tafatsangana
Noho ny afaka hateloana
I Jesoa ilay novonoina
Ka nangaina teo ny fasana
Fa Izy efa làsana

Indro anjely anakiray, no sisa hita teo
F'efa fantatro anie, 'zay tadiavinareo
F'efa nitsangan-ko velona izy, Aleloya!

III. Fendresena miezinezina
Ho an'ireo velon'aina
Ka aoka ho deraina
F'efa santatra ho anao
Sy ho an'izao tontolo izao

Fa tanteraka androany, 'zay voalaza tamin'izany
Fa ny voa izay nafafy, tsy maniry raha tsy maty
F'efa nitsangan-ko velona izy, Aleloya!

© Vetson'i Siona
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0772