Araraoty (Antokom-pihira Vetson'i Siona)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
I. Ireo olo-malalanao, mbola eo tsy lavitra anao
Toa adinonao anefa ny maneho fitia ho azy ireo
Satria toa mety, lavorary avokoa izay atao
Tampoka nefa, anaty indray lhbwsdsq mipia maso
Ireo malalanao lasa, nesorina aminao
Eo vao tsapa fa banga, tahaka izay nifankatia

REF. Araraoty ny Fotoana anananao
Aza manjehy ny andro ho lava
Tsarovy fa ny nenina tonga eo handatsa
Fantaro hoe ny safidinao no jinjainao
Sahia ary manao safidy marina
Dia matokia fa ny Tompo eo hanampy anao

II. Maro ireo nofinofy, napetraka tao am-ponao
Mbola miandry fotoana, hoy ianao isan'andro
Satria toa mbola mety, lavorary avokoa izay atao
Kanjo indray andro, tsy tononkira.serasera.org araka ny noheverina
Lasa nandalo ihany ireo vintana nomena
Eo vao tsapa fa sarobidy ny fotoana

REF ...

III. Teo foana Izy mitalaho, miantso anao
Toa tsy nohenoina, maika nitodihan-damosina
Satria toa mety, lavorary nfojaro avokoa izay atao
Indrisy nefa rehefa mivadika jeqa ny rasa
Sendra lavo, resy, very hevitra aok'izany
Mahatsapa ihany hoe Izy tsy mandao

REF ...

BRIDGE. Diniho anefa fa ny Tompo ihany no maharitra
Raha ela fikenona, sao diso tara loatra
Dieny mbola malaina, 'ndeha vitao, tanterao
Dia rehefa tonga ilay andro, efa be ny vitanao !

REF ...

--------
Link:
Add a comment
Please sign in
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0308