Vavaka (Antoko Mpihira MORIA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ô midina Ianao ry fanahy masina
Ka havaozy izao tontolo izao
Fa maniry sy miandrandra mafy
Ny mba iasanao
Ianao efa nampanantena
Fa hivimbina ilay famonjena
Sy hanasoa izay rehetra manaiky
Ny ho tarihinao

Ny fiangonana izay tranonao
Mba hitoero sy tena hanjakao
Fa iharan'ny asan-devoly
Intony tempoly
Ka ireo efa nanolo-tena
Na nanonona ilay fanekena
Mba tohano tsy hihemotra intsony
Raha sendra lonjony

Reo izay orin'ny fiainana ety
mba ampio ka tsilovy ny dia
Ny hahita ny lalan-kaleha
Ô mamonje
Reo izay manana ny ampy kosa
Izay nomenao harena miavosa
Tsy hamihina an-tanana irery
F'izara ombieny

Ireo mpitondra omeo fahendrena
Hanalavitra fitiavan-tena
Matetika toa mampietry
Ity firenena
Ka tsy hanapatra ny fahefana
Na ny mihevitra ambony lalàna
Fa hanaraka ny sitrakao
Ireo voafidinao
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Antoko Mpihira MORIA
Hits : 382
Likes : 0 Like
Created by : andrytianarajoelison
Date : 26/07/2022 17:13
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0772