Namonjy ahy Izy (Antoko Mpihira MORIA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ry sakaiza ! Toa mitanondrika ianao, ka ny fiarabahana ataoko aza tsy henonao
Toa miafina tanteraka hoy ianao ny tara-pahazavan'ny masoandro avy any antsinanana
Ka maizina tsy kizo ny ho avy ka tsy tazana
Ny olona rehetra maminao ! Na nandao na naneso tsotr'izao
Tsapanao fa ny fiainana diavina dia eny an-tsaha lalin'ny famoizam-po, eny tokoa !
Satria eo tsy  fisiana ny fijaliana ny fahoriana
Ka hakiviana no miara-dalana aminao isan'andro, mahamamo !
Tadidio fa A/tra tsy mampitondra izay tsy zaka, fa miantra !
Mba handraisanao ny fiadanany, Araho ny lalany !
Ety sy mideza ny lalan'A/tra ary amin'ny fahoriana no hidirana ny lanitra
K'izay miseho rehetra , ekeo fo fanefena handraisam-pamonjena
Ry sakaiza koa mahereza ianao , ary ....

Ref : Aza manahy fa ohatranao ihany aho
Tena efa kivy izay tsy izy
Nefa Izy tonga
Mba hanangana sy hampiakatra
K'izay no idradrako hoe
Namonjy ahy Izy satria tiany aho
Ny ainy mihitsy no nafoiny
Ankehitriny, ato amiko Izy
Ny ozon'otako novonoiny

Ry sakaiza ! aza resim-pahoriana fa manana fahatokiana
Fa ny eto antanim-pijaliana mbola hisy fifaliana
Aoka ho fatatrao hatrany fa raha mbola eto an-tany dia lohasahan-dranomaso, ary foiben'ankaso
Saingy raha mbola hisy koa ny farany, tsy ho foana ny fanantenanao
koa fidio izao dia izao ny hanara-dia an'ilay Kristy
Izay mpandresy fahoriana tamin'ny hazo fijaliana

Ry sakaiza ! tsy fara-andro akory izao ka hataotra ianao
fa fanombohana ihany ka aza mitomany
Tokana ny vahaolana dia ny mananotana any Tompo
Ary koa tena hazoto hifankazatra aminy, ny aretinao sitraniny !
Ety mideza ny lalan'A/tra ary amin'ny fahoriana lehibe no hidirana ny lanitra
K'izay miseho rehetra, ekeo ho fanefena handraisam-pamonjena
Ry sakaiza, mahereza ianao ary ....
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0493