AZA MANAHY (Antoko Mpihira MORIA)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1-Marobe ny ady mafy atrehanao e! Fahavalo no manoloana anao e!
Aza matahotra, na mivadi-po
Fa Andriamanitra, Izy no Tsitoha
Ny finoana no ataovy ambony indrindra
Fa na ny tendrombohitra, azo afindra
Ny fanahiana hody fahasahiana
Ny haratsiana ho fahamarinana
Réf.1 Ny finga-pingana, sy fanenjehana
Tohero ho ringana ho latsa-panenenana
Ka ny finoana ‘zay efa ananana
No loha-laharana
Réf.2:Ô ! Mijoroa, misehoa fa efa azonao
Ny fandresena dia ny famonjena nomena anao
Jeso dia efa naharesy izao tontolo izao
Aza manahy f’Izy Ilay Mpamonjy no momba anao
2- Maro koa ireo tsy mba te-hahalala
Mpanenjika ary koa mpankahala
Ô! Mijoroa, reseo ny hakiviana
Fa tofoka sy leo ny haratsiana
Eny e, efa be no mitaraina
Fa hoe tsy mba manan-k’antenaina
Reseo amin’ny soa ny forongon-dratsy
Ny finoana no ataovy vatsy
Réf.1 Ny finga-pingana, sy fanenjehana
Tohero ho ringana ho latsa-panenenana
Ka ny finoana ‘zay efa ananana
No loha-laharana
Réf.2:Ô ! Mijoroa, misehoa fa efa azonao
Ny fandresena dia ny famonjena nomena anao
Jeso dia efa naharesy izao tontolo izao
Aza manahy f’Izy Ilay Mpamonjy no momba anao
--------
Link:
Add a comment
Please sign inAbout this song
Artist : Antoko Mpihira MORIAHits : 1589
Likes : 0 Like
Created by : faliherijaona17
Date : 08/08/2017 21:32