Hankalazao (AMPIZIFA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1.Maro ireo tsy mahalala ny tena famonjena
Fa variana loatra, sy sondriana foana
(Tsy mahatsiaro ny Mpamonjy)
Maro koa ireo jamba eny amin’ny tontolo
Tsy mihevitra intsony izay tena hiafarana

Ianao kosa mba ahoana no mba fihevitrao
Andao hankalazaina ny anton’ilay famonjena
Jesoa anie tonga ho ahy sy ho anao
Izy irery no hankalazao

2.Tsarovy, tadidio ilay fanetrentena
Izay nataon’i Jesoa tao an-tranon’omby
(Tonga nofo ho ahy sy ho anao)
Ambarao eran-tany ho re manako hatrany
F’izay mandray Azy ihany no handova ny lanitra

Izy no mendrik’haja, mendrika ny ho deraina
‘Zay rehetra atao re, ataovy ho an’ny Tompo
Jesoa anie tonga ho ahy sy ho anao
Izy irery no hankalazao

Jesoa anie tonga ho ahy sy ho anao
Izy irery no hankalazao

AMPIZIFA (Antoko MPIhira ZIona Fahazavana Anosibe)
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : AMPIZIFA
Hits : 119
Likes : 0 Like
Created by : AMPIZIFA
Date : 04/06/2025 12:49
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.019