Tsy azo antenaina (AMIKRI (Akon'ny Miaramilan'i KRISTY))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tsy azo antenaina izay zavatra ilaina raha toa ka Mbola miaina fa tany karakaina
Ity tany Ity e! Toa tanim-pahoriana sy feno fijaliana sy fangirifiriana
Fanantenana ny fiainana any ankoatra izay tena tsara voatra nomanina ho anao
Raha toa isika handova paradisa nomen'ny Tompo anao.

        Isika mpino, Mba mitandrema hatrany hatrany
Malama maina anie ny tany, Sao tsy ho Tonga an-danitra any.
Raha samy ho faty aleo manao ny tsara ihany
Fa misy fetra ny eto an-tany, miserana mandalo ihany.


Ireo hadalana sy fakom-pahotana atolotr'i satana tsy maintsy hialana,
Ny fahendrena izay voadim-panekena madio toa volamena, izay no fandresena
Io no safidy izay tena sarobidy, sy lala-nofinidy handraisan-tsika ré!
Ilay famonjena natolotra,Nomena Ireo olo-marobe.

A/C: RAKOTOARILALA Nest Herry-Lys
Keys: Fa
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : AMIKRI (Akon'ny Miaramilan'i KRISTY)
Hits : 407
Likes : 0 Like
Created by : miharymamy8
Date : 14/06/2022 21:15
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5153