lalana roa (AMIKRI (Akon'ny Miaramilan'i KRISTY))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Lala-malalaka migodàna sy ngeza
lalan'ny ratsy fanahy sy mpanonta
Lalan'ireo be sitrapo tsy mateza
lala-mitondra mankany amin'ny afobe.
Lalan'ny mpiavona ary koa tia harena
ny fijangajangana sy filan-dratsy
Lalan'ireo very ny fitiavan-tena
Lala-mitondra makany amin'ny afobe

Ref: Lalana malama, midanadana any satana
ireo izay mikiry, miziriziry,mangirifiry, an an an an!
Aiza e? aiza e? aiza ny lalana sitraky ny fonao?
Eny e! eny e! ekena fa maro sy tsara izao fiainana izao!
nefa nefa, kanefa tsarovy amin'ny farany ireo zay atao
fa ny nenina anie tsy aloh fa hanaraka anao!

Indro ny lalana tena tery sy hety
, lalana tsara ho an'izay mino, lalana toa kizo de kizo fa mety,
lala-makany @fiainana mandrakizay.

Lalana marina misy fanantenana
ho an'ny mpitory sy mpanara-dia, lalan'ny voadio sy manaiky ho sasana,
lala-makany @fiainana mandrakizay.

Ref: Lalana hety, tsara sy mety ka vetivety de migorisa, mamisavisa, any amparadisa an an an an
Aiza e? aiza e? aiza ny lalana sitrakiny fonao
eny e! eny e! ekena fa maro sy tsara izao fiainana izao
nefa nefa kanefa tsarovy @ farany ireo izay atao fa ny nenina anie tsy ao aloha fa hanaraka anao.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : AMIKRI (Akon'ny Miaramilan'i KRISTY)
Vangy : 847
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : miharymamy8
Daty : 28/08/2019 09:10
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0728