Ny faniriako (AMIKRI (Akon'ny Miaramilan'i KRISTY))

Ny faniriako sy fifaliako hitoetra ankaikinao
Ny ota rehetra zary tsy tiako sy izao tontolo izao
Ka ny fanahiko sy ny saiko hiantoraka aminao
Na dia ho esorina aza ny aiko, ho voadiko izao

Ny rendrarendra sy ny hadalana nangeja ahy hatrizay
Ireo zava-dratsy sy fahotana nilomanosanay
Nefa ankehitriny mahatsiaro tena fa diso lalana
Ity foko adala mila ho vonjena, vohay varavarana

Ireo izay variana Mbola matotononkira.serasera.orgry na ireo rendremana
Mba mitrakà, ny fo atolory sao hanenenana
Aza manjeny ny andro ho lava, mba saino kely ange
Ity trano lain-tsika mbola ho rava, dia aiza no aleha.

    Réf:Indro ny foko Tompo malala ô! Tolory tanana e!
Mangetaheta sao diso anjara ilay fiadanam-be
Ny sandrinao no hany antenaiko handray ny tanako
Ka ho trotroinao, ianao ry Raiko, Izay no hasambarako.

Key: Sol
A/C: RAKOTOARILALA Nest Herry-Lys
A.MI.KRI 2000

Mpihira : AMIKRI (Akon'ny Miaramilan'i KRISTY)
Mpamaky : 109
Mpakafy : 1 Ankafizo
Nampidirin'i : miharymamy8
Tamin'ny : 14/06/2022 19:15:15
ID : 14306

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo