Hirahira am_panahy (AMIKRI (Akon'ny Miaramilan'i KRISTY))

Ny hira izay kaloiko ho anao
Dia ilay talenta izay nomenao ahy Jesoa
Atolotro fa vokatry ny fo
Ho voninahitrao tokoa ry Ray.


Ny feo izay natolotrao ho ahy
Dia ho entiko hidera anao tokoa tokoa
Ny tenako sy ny fiainako
Hihira ho anao mandrakizay.


Ny fatononkira.serasera.orgniriako Tompo fantatrao
Na dia tsy mendrika ity zanakao izao
Hihira ho anao no voadiko
Ety an_tany hatrany an_danitra.


Ref: Hirahira am_panahy
Hifandraisako aminao
Ka ilay hira mamiko
Vavaka avy ao am_po
Hirahira am_panahy
Tena hivelomako
Hahafahako mitory
Amin'izao tontolo izao.

Mpihira : AMIKRI (Akon'ny Miaramilan'i KRISTY)
Mpamaky : 279
Mpakafy : 1 Ankafizo
Nampidirin'i : miharymamy8
Tamin'ny : 31/05/2020 16:56:40
ID : 12795

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo