HAFATRA (Amboaram-Peon'ny Fahazavana (A.P.F))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Do dia G/C
Andriamanitra anio, dia manafatra
Ny baiboly mbola manafatra
Tiavo reo namanao , tahaka ny tenanao
Fa atao ahoana no fitia namana
Raha tys tia tena

Nefa izao no zava-misy,
Maha-ory fo tokoa
Ny ahy foana hatrany hatrany
Ny ahy foana hatrany hatrany
Ny ahy foana sesilany
Fitiavan-tena tafahoatra
Tsy sitraky ny Ray any an-koatra

Andriamanitra anio, dia manafatra
Ny baiboly mbola manafatra
Tiavo reo namanao, tahaka ny tenanao
Ny mamihina ny soa samirery
Tsy fanao, raha mpivavaka ianao

Tonony sy feony : Pasteur Rahaingonjanahary Rodolphe
(1992)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Amboaram-Peon'ny Fahazavana (A.P.F)
Vangy : 676
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Njato5
Daty : 02/05/2019 15:23
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5571