Nitsangana Ianao (Akon'i Ziona Famonjena (Nosy Be))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1- Fahagagana lehibe Jesosy o
    no nasehonao ireo mpianatrao
    Nitsangana velona,
    nandresy ny fasana tokoa Ianao
    Afa-patotra sy voaavotra ny olonao

Ref: Nitsangana tokoa ianao Tompo Mpanjakanay
       sady noresenao avokoa 'reo fahavalonay
       Na dia ny fasana aza tsy mba nahatana Anao
       Jesosy o, lehibe tokoa ny herinao.

2- Mbola maro ireo minia tsy mandray
    ny avotra izay natolotrao
    Iraho ny Fanahinao
    hiasa manan-kery amin'izy ireo
    hahatsapany fa noho ny aminy no nahafaty Anao

Ref: Nitsangana tokoa ianao Tompo Mpanjakanay
       sady noresenao avokoa 'reo fahavalonay
       Na dia ny fasana aza tsy mba nahatana Anao
       Jesosy o, lehibe tokoa ny herinao.
--------
Link:
Comments
randriamifidy.t.andrianina ( 28/03/2018 16:01)
mafinaritra be le tononkira
Herizo15 ( 30/03/2018 07:36)
Mankasitraka e!
Ho an'ny Tompo ny voninahitra.
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Akon'i Ziona Famonjena (Nosy Be)
Hits : 1342
Likes : 0 Like
Created by : Herizo15
Date : 27/03/2018 14:35
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0757