TOMPO O (Afif (Anjomara Fifohazana Andohatapenaka))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tompo o
Tompo Andriamanitra o
ianao no mpamela heloka
mba jereo ity mpanomponao ity
fa efa ela no nania
ka mifona aminao
hatrizay dia nanda ny didinao izahay
ka mifona mitalao ry Ray
fa hiverina aminao

tsy mbola renao ve
ny feony Tompo hoe
na dia mena toy ny Jaky aza ny otanao
dia ho dioviko fotsy vaovao

Tompo o
Tompo Andriamanitra o
inona e no havaliko aminao
noho ny soa izay nantaonao tamiko ka
inona no havaliko
havaliko ho anao
raiso re ity foko efa trotraka
fa io no mba atolotro
atolotro ho anao

izany indrindra no
takiana aminao
atolory ny fonao ho fanatitra
f'izany sitraky ny Ray
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Afif (Anjomara Fifohazana Andohatapenaka)
Hits : 56
Likes : 0 Like
Created by : AFIF
Date : 11/08/2024 06:12
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0728