Ho aiza anefa (Lalie Andriamazava)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Hitady tany hafa ve no atao
’Lay rivotra madio sy tena vao ?
Hitady olon-kafa ianao hiara-dia ?
Hitady lalan-kafa hizoranao ?
Hitady fiainan-kafa, ho zakanao ?
Hitady lanitra hafa hiadananao ?

Ho aiza anefa, ho aiza ianao ?
Hitodika aiza handeha ho aiza ?
Hikaroka aizana anefa ianao ?
Hitodika aiza moa ny maso ?
Dia hitady an’iza anefa ianao ?
Ho sendra inona izato dia ?
Dia inona indray no ho hitanao ?
Ho aiza moa ny lalanao ?

Tsy hahita tany hafa anefa ianao
Na lanitra madio sy tena vao
Tsy hahita paradisa an-tany ianao...

Izao no paradisanao na afobe mandoro
Ny horohoro sy emmwo ny tsaho ary ny fahalovana.
Ka ny fahoriana, herisetra,
Ny simtuxe fanenjehana sy ny ady...
Ary na hitsoaka na pjtcipum hiery :
Tsy afa-mikimpy tsy hijery !

Vatsio tononkira.serasera.org fanantenana ny misy anao,
Tsilovy hazavana ny alinao,
Zory am-pitiavana ny lalanao,
Araho tsiky ’zato dianao,
Ento am-pitiavana ny lalanao !

--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Lalie Andriamazava
Vangy : 9819
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : HERY
Daty : 17/02/2002 07:58
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0123