Ny làlana mody (Ny Sakelidalana)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Isaky ny mijery ny lalana mody
Dia ny andro tavela no indro
tanisaina fa tody an-tsaina e!
Ankonankona foana torovan’ny embona
Re mitsaika ao anaty
Mivaingana tsy mety maty.


Refrain:
   mielina miserana sy mandalo
   Ô! ô! ô!
   Irony ventsoventso mampimalo
   Nefa ho aiza e! f’efa voafatotra
   Mivavabavaka sisa e!
   No sisa, no sisa farahery.


Isaky ny mahita ireo olona ho any
Dia ny entana foana no efa voafehy
Toa vonon-kandeha e!
Nefa kosa hoy aho tsy ho aiza tsy akory
Tsy mba afaka ho any,
tsy afaka ka hitonmany.

Ref...
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Ny Sakelidalana
Vangy : 5671
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : admin
Daty : 28/01/2002 20:27
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0104