You are here: home > Tononkira > Ny SAKELIDALANA

TARATASIN-DRAZANDRY (Ny SAKELIDALANA)

https://tononkira.serasera.org/hira/ny-sakelidalana/taratasin-drazandry-1

Any ianao Zoky malala tsy hadino,
kilasimandry manirery any ho any.
Tinaitran’embona nandalo
zandrinao ka indro, manina ka manoratra.

Tsy dia misy vaovao
malahelo anao ny aty,
Ilay sakakelintsika
vao nifo-nify dia maty  

E! e! e!

Fa ny tena hasambaranay ambamin-dry Neny
dia ny mahazo taratasy avy anTsiky dia ampyy aminao
milaza fa salama tsara tsy manahy,
ary ny fianarana mandroso.

Efa mila tsy ho andriko
Ny fotoam-pialan-tsasatra
Hilalaovantsika roalahy
Eo an-tokontanibe

E! e! e!

Hofaranako ny taratasiko kanefa
Miala tsiny tsy nahasoratra betsaka aho razoky
Maika hiana-desona aho  ka aza tsiny indrindra
Mandra-pihaona mahereza  re!

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Ny SAKELIDALANA
Mpamaky : 7341
Mpakafy : 1 Ankafizo
Nampidirin'i : Naly Randria
Tamin'ny : 07/11/2003 12:02:34
ID : 2090

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo