You are here: home > Tononkira > Ny SAKELIDALANA

MBOLA TSARA (Ny SAKELIDALANA)

https://tononkira.serasera.org/hira/ny-sakelidalana/mbola-tsara-1

Any ianao ry malala
Izaho aty mbola tsara
Mahatsiaro ireo korana teto
Ny foko indro ka voton-tseto
Manina anao aho ry tiana
Ranomaso no he mikoriana
Ny any angamba mazava
Ny aty kosa manjom-bondava.

Fiv:
     Voaraiko ilay soratrao
     Milaza ireo vaovao
     Feno tsiky sy feno korana
     Nefa koa misento maTsiky dia ampyzana.
     Ny fontsika anie tafaray
     Voaloboka ladinim-bahy.
     Taratasy alefao sesilany
     Ampisava izato tomany.


Mivavaka aho etoana
Ho anao izay tsy eto anoloana.
Enga  anie ka indray andro any
Hitsahatra izato tomany,
Amizay ny foko hifaly
Fa tapitra teo ny jaly
Hisava ilay andro misaona
Hifanoroka fa tafahoana.

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Ny SAKELIDALANA
Mpamaky : 2836
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : Naly Randria
Tamin'ny : 16/03/2005 16:16:37
ID : 3011

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo