MPIASA TANY (Ny Sakelidalana)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Raha mbola maraina
dia indreny manainga ireo mpiasa tany.
Nariana ny laina fa hitrandraka bainga
hiasa androany.

Ô! ô! ô!
Na mamirifiry
aza re ny fanala, hiaretana ihany;
Ny zavatra iray izay makadiry
Miasa hatrany!

Ô! ô ô
Miasa e! no adidy ry velona an-tany
Miasa ry lahy ô
Miasa no adidy ry velona an-tany
Miasa ry lahy ô

Vao tonga eny an-tsaha dia manaisotra lamba
Vonon-kiasa esorina ny ahy.
Tsy miambahamba manefa lahasa,
Tsy miambahamba manefa lahasa.

Osora-menaka aloha ny angady
Tsy hampiepa-tanana rehefa ela ny ela
Mafy e! kanefa tsy maintsy hiafiana
Ireo no odin’ireo fahoriana.


Indry efa dila ilay taramasoandro
Milefa any ho any,
Toa manery, mampody an-tanana
ireo mpiasa tany

Ô ! ô! ô!
Fandeha valabalaka, vizana ery
no tsinjo amin’izany
Vita ny androany e!
Indreny fa mody ireo mpiasa tany.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Ny Sakelidalana
Vangy : 2529
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Naly Randria
Daty : 06/11/2003 19:27
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0723